Biennah
15/11/2024
''Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana:Indro havaoziko ny zavatra rehetra''.Apokalypsy 21:5a
💛''NY ZAVATRA REHETRA 💛:
-Ny fiainana
-Ny toetra 🧠
-Ny ara-bola 💸💶
-Ny fomba fiteny,🗣️.....
📌Ry namako mpanara-dia an'i Jesosy isany,👉MANEKE hohavaozin'Andriamanitra👈 isika MBA ho tonga IZAY itiavan'Andriamanitra antsika, indrindra MBA ho tonga filazantsara mandehandeha.
Raha mbola tsy nandray an'i Jesosy Ianao,RAISO IZY fa mahay manova ny fiainanao manontolo.
Tia anao JESOSY ❤️
12/11/2024
TSY RESY IZANY IANAO 🔥💪 fa laingan'ny Devoly izany🙄!!!
Hoy JESOSY : 👉 " Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory."Lioka 10:19
🙌 Ry namako, AZA MANAIKY IZAY TENY ALEFAN'NY SATANA ❌❌❌
mety hitondra:
📌 fanahiana🤔 ,
📌Tahotra 😨😱,
📌Hakiviana 😴😩,
📌Alahelo😓 ,...
🔥Fa RAISO NY FAHEFANA izay nomena antsika handresena ireo zana-tsipìka Alefan'ny satana.
💪" Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika. "Romana 8:37
💪 MPANDRESY IANAO MANOMBOKA IZAO🔥
08/11/2024
FAHASOAVANA EEE ❤️!!!
'Mifankazara @ Tsitoha hianao dia hiadana, izany no hahatongavan'ny soa aminao''. Joba 22:21
🤝Samy hafa ny Mahafantra Olona anakiray sy ny mifankazatra Amin'ny Olona Anakiray
👉Tahaka ny hoe,fantatra ho azy ny toetran'olona iray raha fantatrao ny namany !!
👉Mitovy ihany koa @ hoe tsy afaka mifanerasera aminao matetika ny olona iray raha tsy mifankazatra aminao.
❣️Mitovy tsy misy valaka amin'izany isika,
❣️Raha mi-namana(mifankazatra) amin'Andriamanitra dia automatique manana ny toetran'Andriamanitra,izany hoe FILAZANTSARA MANDEHA2 🤗,,ary afaka
I-confiévan'Andriamanitra zavatra ihany koa,
🔥Manasa anao Jesosy,hifankazatra aminy mba hahafahany mampiasa anao mihoatra lavitra noho ny teo aloha 💋💋💋
22/10/2024
💌"Na Dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho kanefa tsy manana fitiavana Dia Tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho".1kor 13:1
💌"Ary ankehitriny dia ireto Telo ireto no mitoetra :ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana ;fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo".
😱😱❌❌ KIPANTSONA ?❌❌😱😱
Lasa kipantsona tokoa isika rehefa tsy manana fitiavana na dia hiezaka tahaka ny inona.
Ny FITIAVANA 🤍 :
-🧡 Mahari-po,mora fanahy
-💛Tsy mialona,
-💚Tsy mirehareha,
-💙Tsy mieboebo,
-💜Tsy manao izay tsy mahamendrika,
-🤎Tsy mitady ny azy,
- ♥️ Tsy mora sosotra,
-🖤Tsy manao otri-po,
-❤️Tsy mifaly amin'ny tsy fahamarinana
NY FITIAVANA 🤍 : Dia tsy iray amin'ireo TOETOETRA mamaritra an'Andriamanitra fa io dia NATIORAN'ANDRIAMANITRA mihintsy..
JESOSY ilay FITIAVANA ❣️ 1 JAONA 4:8
Raha Izy no mandidy Sy manapaka amin'ny fiainanao dia automatique manana ilay FITIAVANA 🤍
❣️VIVE L'AMOUR❣️
FAHASOAVANA EEE
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the public figure
Telephone
Address
Tulear
601