CrienTom

CrienTom

Share

Ity page CRIEN TOM 208 ity dia page natokana ho mpanakanto CRIEN TOM ary ny vaovao tsy tapaka mombamomba azy.

08/05/2026

Atsika lahy koa mbo tavandrainolo ialah fitiavambaola fa atsika ty samy tsy tompiny aminy tany nolo ty,hoany lay mpagnaraotro namagna samy zanatany gasy��

koa misy magniraka mitady asa,ampia izy fa tsy kiniany tsy misy taratasy fa olo samy aminy lalampiainagna nazy.
Ambara izy ny tokony atao fa tsy rah ikatrakatramo karah io fo .

Tsisy ilevigny iaraka aminy vaola atsika ty.

Message fo nihinaha hoany lay mpagnano azy.

08/05/2026
07/05/2026

🌅 Aza miandry ny aloky ny fahafatesana ⚰️ hanarona ny lalanao vao hankasitraka ny hazavan’ny fiainana 🕯️.
Ny fiainana dia toy ny labozia mirehitra 🕯️ — tsy fantatrao izay ora hitsonika farany.

⏳ Tsy ny halavan’ny andro niainana no maha-lehibe ny olona,
fa ny dian-tongotra 👣 navelany teo amin’ny tany nodiaviny.

🚪 Ny fahafatesana dia toy ny varavarana mangina.
Rehefa misokatra izy, mijanona ny feo… 🤫
fa tsy voatery hijanona ny vokatry ny asa 🌱.

⚰️ Ny vatana mety ho levona anaty fasana,
fa ny asa tsara vita kosa mitsiry toy ny voa nafafy 🌾 —
mitombo, mamony 🌸 ary mamoa 🍇 ho an’ny taranaka.

🍂 Mandalo ny taona.
💪 Mihamalemy ny hery.
💰 Ny vola tonga sy mandeha.

Fa 🌟 ny tena fahombiazana dia ilay asa mijoro na dia tsy eo intsony aza ilay nanao azy.
Izy no hazavana 🔥 mitohy mamirapiratra,
na dia efa maty aza ilay nanazava azy.

Koa ✊ aza miaina ho an’ny anio fotsiny.
Miaina mba hamela lova 🏛️,
mba hamela dian-tongotra 👣,
mba hamela vokatra maharitra 🌳.

Photos from CrienTom's post 07/05/2026

Tsy ny olona rehetra tonga any ivelany akory no teraka tao anatin’ny fahafahana sy fananana. Maro no niainga tamina nofy tsotra, tao anatin’ny fahasahiranana, tsy nanana vola, tsy nanana olona nanosika, fa nanana finoana sy faharetana.
Na izaho miteny aminao izao aza, nisy fotoana nieritreretako hoe lavitra loatra ilay tanjona. Kanefa tsy navelako hanjary sakana tao an-tsaiko ny hoe “te handeha aho, saingy tsy manana moyen”. Nino aho fa matetika ny fahombiazana dia tsy miainga amin’ny vola, fa miainga amin’ny finiavana sy fahasahiana manandrana.

Nandritra ny herintaona mahery, impolo isan’andro angamba no nandefasako candidature sy nandraisako anjara tamin’ireo offre hitako niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy. Tsy nandoa vola aho, tsy nanam-bola be koa, fa nampiasa izay teo am-pelatanako : cyber, wifi, fotoana, ary faharetana. Tsy nisy valiny ela be, ary nisy fotoana nahakivy. Kanefa ny fiainana dia mampianatra fa ny zavatra sarobidy dia tsy tonga vetivety.

Ary rehefa tonga ilay fotoana, dia toy ny nofy mihitsy : billet d’avion nalefa ho ahy, sidina Kenya Airways, Madagascar – Kenya – Maurice, ary fahazoana permis ara-dalàna. Tsy noho ny vintana fotsiny izany, fa noho ny fikirizana tsy nanaiky resin’ny tahotra sy ny tsy fahampiana.

Any anatiny fiarahamonina, maro ny tanora very fanantenana satria mieritreritra fa ny fahombiazana dia an’ny olona manan-karena ihany. Kanefa diso izany. Ny olombelona dia manana hery miafina ao anatiny, ary matetika ny sakana lehibe indrindra dia ilay tahotra mipetraka ao an-tsaina.

Eo aminy sehatra ny fahalala, ny tsy fahombiazana dia tsy midika hoe tapitra ny lalana, fa lesona manomana antsika ho matotra kokoa. Raha misy varavarana mihidy, dia mety tsy io no natao ho anao, fa misy hafa mbola hosokafan’Andriamanitra amin’ny fotoana mety.

Ary amin’ny lafiny finoana, tsy misy ezaka very eo imason’Andriamanitra. Indraindray Izy mampiandry antsika, tsy satria mandà, fa satria manomana zavatra mihoatra noho izay noeritreretintsika. Ny masoandro tsy miposaka amin’ny ora itiavantsika azy, fa miposaka amin’ny fotoana voatendry.

Koa aza atao sakana ny tsy fananana vola, na ny tsy fisian’olona manohana anao. Ianao ihany no fanalahidy voalohany afaka manova ny fiainanao. Tohizo ny ezaka, tohizo ny finoana, ary aza kivy amin’ny fahatarana. Fa indray andro any, amin’ny fotoana tsy ampoizinao indrindra, dia hiposaka ny masoandron’ny fahombiazanao.
Mirary soa ho an’izay mbola manonofy sy mbola sahy miady amin’ny fiainana. 🇲🇺🇲🇬🙏

Want your public figure to be the top-listed Public Figure in Toamasina?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Telephone

Website

Address


Mangarivotra Avaratra
Toamasina
501+