Doris Rabemanantsoa
19/03/2023
🚨RAHA TE HO TAFITA🚨
Raha te ho tafa :
🔴 Aza kamo miketrika.
Sahia miketrika fa ao no misy ny hena.
Sahia miketrika fa ao no misy ny vola
Sahia miketrika fa ao no misy ny fahombiazana. Betsaka ny manana fahalalana sy diplôme resin'ny olona miketrika satria ny vokatra no mikaonty amin'ny fiainana.
🟡 Aza matahotra vavan'olona.
Matahotra ve ianao hivarotra voanjo sao hitan'ny namana?
Matahotra ve ianao hivarotra m**o akondro sao hitan'ny mpiara-nianatra taminao?
Anisany tsy mampanjary izay fa tandremo, fiainanao io dia ianao no mila mahafantatra ny zavatra tokony hataonao mba hampivoatra anao 🟢Manàna nofinofy ambony
Tsara ny mahay mionona fa aza atao hampijanona anao amin'ny toerana misy anao androany izany.
🔵Aza menatra amin'ny fahantranao.
Aza mamorona ny tsy misy.
Raha misy vahiny ka tsisy hena dia ataovy amin'izay misy aloha fa aza mamorona.
Raha mirevy ny namana ka tsy manam-bola dia ndana mody.
Izay ny torohevitra vitsivisty fa tadidio foana fa misy dingana io ary ny fahantrana io dia mandalo ka raha miezaka miketrika sy mivoatra foana Isika dia hanjavona anatiny fotoana fohy Izany fahantrana Izany tsy maintsy TAFA ianao.
TSY MAINTSY TAFA ISIKA de MIRARY ALAHADY FENO FAHASOAVANA HO ANAO INDRAY E
06/02/2023
⏰Harem-be tsy voavidim-bola amin-karena ny fotoana, azonao maimaim-poana, saingy raha verivery foana dia tsy misy azonao atao azy intsony satria ny lasa tsy miverina intsony⏰
Dieny mbola fotoanany izao ary dia araraoty ny fotoana anananao.
Mirary soa.
Tsy maintsy TAFA Isika
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the public figure
Telephone
Website
Address
Toamasina
501