Chrd2 Kandreho

Chrd2 Kandreho

Share

Photos from Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka's post 02/01/2026
Photos from Chrd2 Kandreho's post 17/10/2025

Tolotra ara-pahasalamana maiaimpoana eto @ hopitaliben'ny Kandreho.

06/10/2025

📢Fampatsiahivana :
Eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny fahasalamambahoaka dia ho tontosaina eny @ CHRD II KANDREHO ny 15-16-17 Octobre hoavy izao ireo tolotra ara-pahasalamana fanao isantaona ka ireto avy ny zavatra azontsika hisitrahana amin'izany :
🩺Fitiliana diabeta sy tension,
🩸Fitiliana ny tsimonkaretina VIH/SIDA
💉💊Fizahampahasalamana sy fitsaboana marary (consultation)
🦷Fitsaboana nify,
🤰Consultation prénatal na fisafoana ireo vehivavy bevohoka,
đź§ŞFitsarana rehoka ho an'ireo mikohadavareny hitiliana raboka
🩹Tsy adino ny fandidiana hydrocèle na bonga be.
⚠️Maimaimpoana avokoa ny tolotra rehatra @ io koa mitongava maro. Ampitapitao @ manodidina.

11/09/2025

Ireo sakafo tsara hanina raha miakatra tosi-drĂ 
🚨🛑🚫Tsy mifidy taona intsony ankehitriny ny olona miakatra tosi-drà. Atoro anao eto ary ireo karazana sakafo tsara hanina hanatsarana ny tosi-drà sy ho famenon’ny fanafody fitsaboana izany.
🥦Ny « brocoli »
Fomba iray manampy hanatsarana ny tosi-drà ny fihinana legioma sy voankazo karazany 5 isan’andro. Anisan’ny legioma be kalsioma, potasioma ary manezioma ilain’ny vatana ny « brocoli ». Mandray anjara betsaka amin’ny fandrindrana ny tosi-drà ireo singa hita ao anatin’ny « brocoli » ireo. Tsara raha tsy atao masaka be loatra ny « brocoli » mba ho voatahiry avokoa ny otrikaina ao anatiny.
đź§„Ny tongolo gasy
Efa maro no mahafantatra fa mampidina tosi-drà ny tongolo gasy. Voaporofo ara-tsiansa rahateo fa mampihena ny tahan’ny tosi-drà sy ny kolesteroly ratsy ny fihinanana tongolo gasy. Ilaina noho izany ny mihinana hasiny efatra isan’andro amin’izany raha te-hisitraka ny tombotsoa azy avy aminy. Tohizana hatrany ny fanafody tosi-drà ho an’izay efa mihinana izany fa ho fanampiny fotsiny ihany ny fihinanana tongolo gasy.
🍶Ny « yaourt »
Araka ny voka-panadihadiana iray natao tao Minnesota dia voamarina fa manampy betsaka amin’ny fampidinana ny tosi-drà ambony loatra ny fihinanana « yaourt » matetika sy amin’ny fotoana raikitra noho izy manankarena kalsioma.
🌰Ny « cacao »
Anisan’ireo karazana sakafo manankarena « flavonoïdes » ny « cacao » ka miaro ny vatana amin’ny rarin-tsaina. Fantatra nefa fa ny rarin-tsaina no isan’ireo fototra mampiakatra ny tosi-drà.
🍠Ny tamotamo
Manana fahafahana misoroka ny rà tsy hivaingana ao anaty (anticoagulant) sady miaro azy amin’ny mikraoba koa ny tamotamo. Ny tamotamo fakany no hoanina manta na kikisana atao amin’ny laoka.
🍌Ny akondro
Hita ao anatin’ny akondro ny otrikaina mineraly miaro ny fo sy ny lalan-drà dia ny manezioma, ny potasioma ary ny kalsioma izany.

Want your practice to be the top-listed Clinic in Majunga?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Culinary Team

Attire

Telephone

Address


Kandreho
Majunga
401