NARY RINDRA
SAMBARA
Ekeko hoe mamy loatra ny teo anilanao
Fa tsy afaka nanoatra ny foko aki malala
Raha azoko nialana dia tsy nofidiko akory
Ny handao sy hampahory ity olon_tokanao
Voatery nifandao ny fo niara_nanjoy
Mafy loatra izao fa aoka ianao ahatsapa
Mamiko ny lasa , tsy foiko ianao ry tiana a!
Ny mbola faniriana dia isika mbola ho sambatra
Na aza efa fantatro f'ianao efa niova
Vao niala teto an_tanako dia lasan'olona any
Ny antsika hafa ihany , ka eto no ilazako
Anio no hanambarako ny fetrantsika roa
Anio aho hankatoa sy hanaiky anao hotiaviny
Anio ihany koa ilay tokim_panekeko avaloko ho ahy irery
Ekeko hoe mamy ireny fa matoa tsy tafakambana
Dia any ianao no miadana ka ho tsofin_drano
Mahorena tokan_trano sy fiainana vaovao
Hoy ilay tia anao
Fa ny antsika na dia mamy sy nandraina ho mateza
Tsy natao hiara_paly sy hiara_dalana ho doria
Na aza sanatria hoy ianao hoe tsy hisaraka
Ekeko hoe tena miavaka saingy indrisy anefa,,,
Mety any ianao no hiantefa ny dinam_panajana
Ka hoy aho hoe sambara
Dia veloma ianao malala.
Nary , 17/06/25
15/06/2025
Ny fifalian'i Dada
Na inona sedrainy
Na inona marary
Dia ilay sombin'ny ainy
Tiany ho lavorary
Na inona fahantrana
Na inona tsy misy
Ilay zanany malala
Hiezahany hitsiky
Na inona fiafiana
Na inona mitranga
Ilay sombiny niriana
Tiany , manan_danja
Na inona ady atrehany
Na inona mitranga
Ianao no reharehany
Fifalian'i Dada
Nary, 14/06/25
13/06/2025
Fony aho mbola zaza no mora nosetraina
Sy azonao ratraina
Nomenao fahidiana fa tsy nahalala onona
Ny foko natao sorona
Fony aho mbola adala no mora nambakaina
Matetika mangaina
Nomenao eso_teny sy varatra mahery
Ny vatako malemy
Fony aho mbola osa no mora novozonana
Sy azonao fatorana
Nomenao ratram_po fa tsy ilay anjara toerana
Ny vavako noferana
Fa 'zao aho efa niova tsy toy ireo teo aloha
Mahay mitsabo fo
Mahay mamafa ratra sy mikosoka alehelo
Ny saiko efa mahery
Tsy ilay malemy sy mora nambakaina
Efa nosedraina
Efa mahalala ny lalana ho diavina
Sy izay tokony ho lavina
Tsy zaza 'zany intsony aho
Efa niova aho
Ka handefitra eny foana
Tsy misy hoe nahoana.
Nary, 13/06/25
31/05/2025
Ndao fa lalana
Io tsy malama ary mora diavina
Ny mahay mamindra tsy atoro an'izany
Tsy diso safidy na sarotra tiavina
Ndao fa lalana dia aza tomany
Io tsy mangidy ary mora tsakoina
Ny atoro an'zany ny zatra mitelina
Tsy embona akory na alo mamoina
Ndao fa lalana dia aza manenina
Io tsy mandratra ary azo setraina
Ny mahay misetra mahalala an'izany
Tsy kamboty foana na tady malaina
Ndao fa lalana dia aza tomany
Io tsy mafaitra ary azo zakaina
Ny ela nihetezana mahita ny hambany
Tsy diso safidy na sarotra hajaina
Ndao fa lalana , averiko ihany :
Aza tomany.
Nary , 27/05/25
HO AN'I NENY MALALA !
Aty an_tany lavitra aho ry Neny tena tiako
No mianatra ho modely tamin'ny fananaranao
Lavitra kanefa tsy maty tadidiko
Toro_hevitra sy hanatra napetrapetrakao
Aty an_tanin'olona aho mahatsiaro anao ry Neny
Lehibe ilay zaza bodo teo an_tratranao
Taloha aho ilay maditra f'izao aho efa hendry
Tsy ilay manapatapaka ny torimasonao
Aty an_tany lavitra aho ry Neniko malala
Ilay mora apanginina fa tsy be tabataba
Efa mahay mahandro sy manasa lamba
Aty aho no mahatsiaro ireo teninao sy Dada
Aty an_tanin'olona aho mihaino ny hiranao
Mahatsiaro irony saingy aho dia mandrotsaka tomany
Manina anareo aho rehefa ohatr'izao
Ry Neny tena tiako! Ianao dia hafa ihany
Nary, 30/09/24
Mody masoandro.
06/05/2025
AZA OMENA TSINY
Aza omena tsiny fa diso babo loatra
Ka raha vao nisarahana dia io manangan_ditra
Tsy nahavoafehy ny tena himamo tamin'ny toaka
Fa aza omena tsiny , tsaroana be ny vita
Aza omena tsiny fa diso tia am_po
Tsy nahalala fitaka sy lainga be hianjady
Vao tojo fisarahana dia tsy naharin_doha
Fa aza omena tsiny raha lasa be tavoahangy
Aza omena tsiny fa niandrandra sy nahatoky
Tsy sanatria finidiny ny hivarilavo an_tatatra
Fitaka tsy adinony ny voady izay voahosy
Fa aza omena tsiny , marary ilay misaraka
Aza omena tsiny fa diso tia ny fony
Noheveriny ho doria koa ny tokinao mihoatra
Kinanjo tsy nampoiziny fa voady nampahory
Ka aza omena tsiny fa diso babo loatra
Dia tsy nahafehy ny tena hilavo tamin'ny toaka.
Nary, 06/04/25
30/04/2025
SORATRA
Ahy ianao dia fiainako
Hatrany am_pasana any
Soratra marainako
Kalo raki_tsary
Ahy ianao dia lalako
Hatr'eto ka hatrany
Soratra malalako
Ako teny mamy
Ahy ianao dia mamiko
Mandrapahafaty
Soratry ny taniko
Aina , redy , vatsy
Nary , 30/04/25
06/04/2025
Ho anao ilay tena tiany
Aza faly ny hanome tsiny
Fa rahampitso io mety ho sitrana
Ary hanarina ny vitana
AZA OMENA TSINY
Aza omena tsiny fa diso babo loatra
Ka raha vao nisarahana dia io manangan_ditra
Tsy nahavoafehy ny tena himamo tamin'ny toaka
Fa aza omena tsiny , tsaroana be ny vita
Aza omena tsiny fa diso tia am_po
Tsy nahalala fitaka sy lainga be hianjady
Vao tojo fisarahana dia tsy naharin_doha
Fa aza omena tsiny raha lasa be tavoahangy
Aza omena tsiny fa niandrandra sy nahatoky
Tsy sanatria finidiny ny hivarilavo an_tatatra
Fitaka tsy adinony ny voady izay voahosy
Fa aza omena tsiny , marary ilay misaraka
Aza omena tsiny fa diso tia ny fony
Noheveriny ho doria koa ny tokinao mihoatra
Kinanjo tsy nampoiziny fa voady nampahory
Ka aza omena tsiny fa diso babo loatra
Dia tsy nahafehy ny tena hilavo tamin'ny toaka.
Nary, 06/04/25
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Website
Address
Analamanga
Antananarivo