TMV Studio
développeur de la TMV Map Madagascar sur Euro Truck Simulator 2
création de contenu visuel unique dédié au gaming, au modding et à la culture malgache.
🎮 Map creator | 🎬 Digital designer | 🚀 Innovation gaming Africa Communauté de Gaming :
- Création Mod ETS2 (TMV Map)
- Streamer Gamer
- Vente de Mods et Tutos
- Service Publicitaire (Montage, graphisme, Publication, ...)
02/06/2026
🚨 NY AIN'NY VARIRA DIA AIN'OLOMBELONA KOA!
Ho an'ireo mpitondra sy ny manam-pahefana mahefa eto Madagasikara,
Ho antsika mpiray tanindrazana tsy an-kanavaka,
Firy moa ny ankizy sy ny fianakaviana mbola tsy maintsy hiaina ao anatin’ny herisetra sy ny tahotra foana vao hampihatra ny lalàna ianareo? Firy ny ra mbola tsy maintsy hitsatoka vao handray andraikitra ny fanjakana?
Androany, misy ray aman-dreny malagasy tsy matory andro, tsy matory alina. Mitomany mangingina satria matahotra ny ain'ny zanany. Sady miambina ny varavarana no mivavaka mafy mba tsy hisy haka an-keriny ny sombin'ny ainy. Izany ve no firenena handroso? Izany ve no fandriampahalemana?
Fijaliana inona re izany fahaterahana amin'ny tahotra izany!
MANGATAKA ARY MITAKY HENTITRA IZAHAREO :
1. 🛡️ Fiarovana farany izay avo lenta sy haingana ho an'ireo zaza sy olona varira rehetra manerana ny nosy.
2. ⚖️ Fampiharana ny sazy farany izay henjana indrindra ho an'ireo mpamono sy mpivarotra taovan'olona varira. Tsy misy indrafo!
Mijoro izahay androany hilaza amin'ny feo avo:
❌ Tsy heloka ny maha varira.
❌ Tsy fanozonana ny maha varira.
✅ Olombelona manan-jo feno hitovy amin'ny rehetra, manana rà malagasy ary manan-jo ho velona izy ireo!
Atsaharo ny habibiana! Atsaharo!
andrianjafiniaina
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the business
Telephone
Address
Analamahitsy
Antananarivo
101