Wany

Wany

Share

17/11/2024

(...)

Raha toa sitrakao
Dia hafeno tsy ho fantany ny ranomaso arotsako
ny taoka efa laniko,
sy ny sigara efa nofoako nandritra izay fotoana nisarahanay izay.

Aza ataonao tsapany hoe,
mbola miredareda sy mirehitra mahamay ilay fitiavana ao anatiko.
Satria atramin'izao,
dia mbola tsy mety ho tantiko ny maka sary an-tsaina hoe rava ny aminay.

Misy fotoana aza indraindray ,
Ny endriny no mibahana mameno ny eritreritro.
Mitsikitsiky kely dia manoroka ny molotro segaondra vitsivitsy.
Dia avy eo izy mitampify sy miankina eto an-tratrako.
Dia adinoko ny ratrako eo am-panembonana azy.

Dia ny sigara GOLOAZY no entiny manohy ny revirevy tsy ho tapaka
Dia misy ranomaso latsaka atosik'ireo tsiaro.
Ary misy tononkalo ventesiko mangina maniry azy iny hiverina.
Arahiko hirahira hoe ...

"Ka miangavy aho , raha toa sitrakao ... "

Izany hira izany
Tsy mande oazy eo fotsiny , fa arahako feo lafika amin'ny sento sy tomany .

WANI

15/11/2024

(...)

Manoroka anao aho aloha vao miarina maraina .
Dia avy eo miomakomana ny andeha itady vola .
omenao teny mamy aho mba hazoto tsy alaina .
Satria ny fiainana amin'izao efa tsy vita mora mora.

Fa tsy maintsy mila miady
Tsy maintsy hoe mitady satria te ho tafita.
Miezaka eny foana aho mba anatanterahana ireo vinavinan_tsika.

Hiaretako eny foana ,
fa tsy mba hitandroako izay mety ho asasarako.
Misy mihitsy aza fotoana ,
Izaho efa marary fa mbola hitsanganako.
Satria tsy tiako hiafy , ianreo vady aman_janako

WANY

11/11/2024

Mahaiza

Mahaiza ianao aloha mionona amin'ny zavatra eo an-tanana.
Mantsy eto tsisy lafatra,
Fa ny fahaizana manangona no tohatra fiankarana hialana anaty lavaka.

Ny tanjonao banjino dia ny lalanao no zory.
Ilazao ireo mpanakora oe tsy miady irery izany a !
F'ilay zokiko ao ambony no mitantana ahy tsy ho very.
Manoro lalana Izy,
Ka tsy hamely ahy hiady irery amin'ny olana samy hafa.

Dia ity no tadidio ,
ny fiainana tsy tsara raha tsy misy mpankahala .
f'ilaiko ianao tsy miala fa mijoro atrany atrany.
matoa izay ianao enjihina
Tsaroy mandrakariva hoe tsy olona ambany.
Dia ny herin-tsaina no tazomy
Ny fahakiviana havalomy dia hario anaty lavaka.
Totofy tsara tsy hitamberina fa sao animba zavatra.

Dia mila ianao mitandrina ,
Fa ny hazo rehefa ambony dia tsy maintsy oe alan-drivotra.
Kanefa aza mangovitra ,
fa sao hanampy tosika ny ratsy hanjakazaka.

Fa ny tena tsara
dia mitraka rehefa miatrik'ady.
Dia ny saina no ampiadina raha te ho lasa lavitra , f'aza mampiasa sandry.

WANI

09/11/2024

....

Na toy ny ahoana faniriana
Na toy ny ahoana fikasana
Dia tsy ho tanteraka naoviana
Rehefa hoe tsy anjara

Na ho atao fanahy hiniana ,
na aza efa teny ierana.
Dia minoa ahy ianao,
fa tsy ho tanteraka naoviana rehefa oe tsy anjara.

WANI

08/11/2024

AMPATSIAHIVO

Ampatsiahivo azy ,
ireo tantara mamy efa niainanay taloha .
Sy izahay ilay niara-niady ,
Dia niara-nifanampy tamin'ny ratsy sy ny soa .

Dia ampatsiahivo koa ,
Izahy ilay niara-niary sy niaraka nanangona .
Ary nanam-binavina sy nametraka ny tanjona hoe hiaraka ho doria.

Dia nanam-panirina ny hanorin-tokatrano .
avy eo hifindra monina ery Antanandrano fa eny mba milamina .
Dia eny no hijanona sy hanorina fonenana .

Izy ho fanaperana sy ho vady andefimandriko .
Ary efa tena tsy andriko ilay daty volamena tamin'izany andro izany .
Mantsy aho mba te ahita ilay tiako sy lalaiko misarona voaly .

Dia mety hoe tsy nijaly satria fo roa samy tia .
Kanefa na izany ,
tafasaraka satria (...)

Nefa aleho aloha tsy ho lazaiko,
Aleho tsy ho tantaraiko fa fiainanay manokana .
Fa teneno fotsy izy ,
miandry foana anao hoe ilay fony tsy mahatokana.

WANI

04/12/2022

AZA...

Rehefa hoe mitia dia (...)
Aza mba mizatra ny fitia misampan_droa .
Mizara mihitsy aloha ianao manaja ny eo an_tanana .
Fa aza salovanana ny anjara ho any hafa .

Mantsy mety an_dratra ny fo mitia izany .
Fa ny tena tsara a!
tokana eny ihany aloha ny olona iarahana .
Dia tano mafy aloha izay azo ,
Fa aza isarahana .

Satria na ho aiza ianao na ho aiza ,
Ny tsara tsy mba lany.
Fa mba jereo ihany aloha izay mety ho tsara taiza sy mendrika ho vadiana .
Mba tsy hanenenanao , rehefa any aoriana .

WANY

Want your establishment to be the top-listed Arts & Entertainment in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Art

Telephone

Website

Address

Antananarivo