Mickaÿa
09/07/2024
........teny a!!!
-Teny!
Teny. I Teny iii!!!...
Tompo ô!
Nahoana no tsy rehany.
-Teny!
Mitenena ianao,
Nahoana no mangina
Tsy loam_peo,sina
Eny atramin'izao?
-Teny , I Teny iii? Teny!
Lazao,
Miarena ianao teny a!!
Fahaizo,
Ireny manaratsy ireny...
Asehoy fa,,
Ianao no tena teny
Ianao no tenin_dreny
Tsy izany ihany anefa;
Teny? Teny,! Mitenena fa
Ianao no nitaiza,
Niady sy nitolona.
Atramin'ireo zaza
Nataonao olom-banona...
Teny iiii!!!
Mitraka ka mahereza
Ry teny ,Mitenena,
Mipetraha,io lahy ny seza
Takio ny fahaleovantena
Teny...
R.Mick'olots'Art." Tonokalo"
09/07/2024
Matahotra aho ny hamaly
Ny fitia natolotrao,
Sao ianao indray no ampihely
Ireo ratram_poko ao.
Menatra aho ny hiteny
Fa mahantra noho ianao.
Tsy vitako rahatr'izay
Ny hoe atositosikao!
Tiko tokoa enao kanefa
Miahotra ny vavako...
Vao hoe hifanojo isika d'efa
Mivarahotsana ny tavako!
Manahy mafy aho ny hilaza
Ny ato am_poko manontolo.
Fa mbola herotrero_jaza
Vao misarisary zoro...
Tiko lesy ialahy a!
Dia matahotra aho ny hiteny
Fitia mahery ny ahiahy
Ka aleoko mitia samirery!
Tia fa tsy miteny...
Ranosoratra(Espérence Fanyah)
11/01/2021
Miondàna eto an_tratrako,
Matoria fotsiny ihany
Dia mahaiza maka mamy
Ny fidoboky ny foko
Makafy anao....
Alaivo nofy ao aho,
Tsarovy indray mitopy
Ao anatin'ny masonao mikipy
Ny lasantsika roa
Mahaiza mahatsiaro
Asio vavaka miredareda
Mba tsy ho nofy fotsiny ihany,
Dia ho samy sambatra eto an_tany
Ilay fitia kisendrasendra
Raha toa ka sitrakao
Etsy matoria ...II
R.Mick'olots'Art." Tonokalo"R.Mick'olots'Art." Tonokalo"R.Mick'olots'Art." Tonokalo"R.Mick'olots'Art." Tonokalo"
24/12/2020
Noëly fahatsiarovana...
Asa mba tsaroany ny alina mangina
Niarahanay nihira sy nikalo
Nibitsihany ny foko raha sendra ka sondriana,
Navadibadiky ny taona maika himalo...
Fa mitsingerina anio ny fotoana,
Noely ny andro tamin'izay...
Kisendrasendra raha tsarona
No nifankafataranay...
Ny sasak'alina iny
No nitsirian'ny fo mitempo
Raha tojo anao fahiny,
Ankehitriny zary lasa sento
Ny mahita ireo miventso
Fa teraka ny Tompo.
Saingy anio dia teraka ny tsiaron'
Ny teny maminao tamin'izany..
Ny feonao malefaka kobonin'
Ny feon_kira mifangaroharo...
R.M
Click here to claim your Sponsored Listing.