TSILA
[email protected]
0388523613
Ireo vokatra Azo jifaina
Boky : TARATASY AVY ANY AN-DANITRA - 20000 AR
Boky : HOTANTARAIKO ANAO - 15000 Ariary
Clè USB 4 Giga feno antsa tononkalo - 25000 ariary
♥️Misokatra aminy fiaraha-miasa rehetra
27/05/2026
Zaraiko Kely ity
Na hivily miankavanana, na hiodina ankavia.
Efa fantatro aho fa hanambady mpankafy.
Zara Ainga
apiantsika live Kely aminy 8 ora , alefaso ao aminy commentaire ny tononkalo tianao ho antsaiko
24/05/2026
Teraka Jesosy dia misotro toaka ihany
Maty indray Jesosy dia misotro toaka hatrany
Nitsangana Jesosy d'efa toaka ihany izany
Misotro toaka foana , hatrany an-danitra any
Andry KAYDA TSILA
23/05/2026
Amin'izao fotoana
- Izay mananatra dia tratran'ilay hoe "Ny fiainanao atao tsara fa aza miditra aminy an'olona "
-Izay manitsy dia voapepo hoe " Manaova Raha mahavita fa aza miseho milay "
-Tsy lairin'anatra intsony ny tanora ka na hanao silipo eny an-dalana aza dia zary efa raisin'ny fiarahamonina hoe efa safidiny iny ka hajao
-Raha olon-dehibe mahantra Sy maloto akanjo no mananatra dia tebahana hoe : " ny fiainanao atao tsara dia ny akanjonao sasaina fa aza ny an'olona no idikidirana"
-Raha olon-dehibe madio Sy mitafy tsara no miteny dia lazaina hoe " Mba sendra niangaran'ny vintana dia miseho manindry "