Vaovao Ranohira
30/05/2026
🌿 DIO HAZAVA RANOHIRA 2026 🌿
Mitohy hatrany ny hetsika "DIO HAZAVA RANOHIRA".
Tamin'ny Sabotsy 30 Mey 2026, dia nanatanteraka fanadiovana manamorona ny RN7 sy ireo lalan-tany eto Ranohira ny mpikambana sy ireo mpiara-miombon'antoka tamin'ny hetsika, ny vahoaka sy ireo sampandraharaha miasa sy monina eto Ranohira.
Tanjona ny hitandroana ny fahadiovana sy ny hatsaran'ny tanànantsika, ary koa ny fanentanana ny rehetra handray anjara amin'ny fiarovana ny tontolo iainana.
🙏 Mbola manentana sy miantso antsika mponina rehetra eto Ranohira izahay mba samy hanadio sy hikarakara ny manodidina azy avy.
Ny fahadiovan'ny tanàna dia andraikitry ny tsirairay ary lova tsara ho an'ny taranaka faramandimby.
✨ Ranohira madio, Ranohira mendrika, Ranohira mamirapiratra!
GEN Y RANOHIRA ISALO
GEN Y Ranohira - ISALO Ofisialy
Vaovao Ranohira ™️
21/05/2026
CANELLE HOTEL** Ankily, IHOSY
-Notokanana taminy fomba ofisialy ny 17 mai 2026 lasa teo ny toerana fandraisam-bahiny vaovao Canelle Hotel, kintana roa.
-Miroborobo ny lafiny Fizahan-tany ary anisany toerana be mpitsidika ny Faritra Ihorombe aminy fisiany ireo harena voajanahary maro isan-karazany ao aminy.
-Ny Filany mpanjifa aminy sehatra no nampirisika ireo mpandraharaha manangana izao fotodrafitr'asa fandraisam-bahiny manaraka ny fenitra kintana roa izao ary anisany sangany ao Ihosy.
-Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Governoran'Ihorombe sy ny Talem-paritry ny Fizahan-tany Ihorombe, sy ireo olona manan-kanja samihafa ao an-toerana.
Mirary fahombiazana hatrany ho tombontsoan'ny fizahan-tany Ihorombe sy fampandrosoana ny Faritra.
Hotel
Vaovao Ranohira ™️
11/05/2026
VONDROTOBIM-PILEOVAN'NY ZANDARIMARIA IHOROMBE
TONTOSA NY FAMINDRAM-PIBAIKOANA
-Notanterahina ny alatsinainy 11 mai 2026 ny lanonana famindram-pibaikoana ho an'ny Komandin'ny vondrotobim-pileovan'ny Zandarimariam-pirenena Ihorombe .
-Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Jeneraly ZIPA Jean Hubert Sekretera Jeneralin'ny Minisitera Delege misahana ny Zandarimaria niaraka tamin'ny Jeneraly MAMELISON Mbina Nonos Komandin'ny Zandarimariam-pirenena.
-Nitarika ny lanonana ny Jeneraly Lehiben'ny Fari-piadidian'ny zandarimaria Fianarantsoa RANDRIANANTENAINA Honoré .
-Ny Kolonely DOLOSENY Nadege Janvier ombimangan'ny andiany faha 29 nivoaka teo anivon'ny Akademia miaramila Antsirabe no komandy vaovao mandray ny fibaikoana .
Source: Fitia
Vaovao Ranohira ™️
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Telephone
Website
Address
101