Fianarantsoa Info-Line
02/02/2026
Mankasitraka anareo Tabora TIM ANALAMANGA
REDYNAMISATION FARITANY FIANARANTSOA..
Mankasitraka ireo solontenan'ny Jeunes TIM Analamanga tonga nanotrona tao Fianarantsoa.
Antoko velona sy matanjaka ny antoko TIM
⏰ 18h 08 | La fumée est blanche… le 267e Pape est élu
19/04/2025
Tantaran'ny tanànan'i Fianarantsoa ( tohiny)
Antananambony
Antananambony ankehitriny na Ivonea fahiny no niantombohan'ny tanànan'i Fianarantsoa. Toerana feno fasana teny taloha dia izay vao nesorina ireo faty teo hanorenana ny tanàna. Dingan-tantara telo no efa nandalovan'Antananambony. Ny voalohany dia hatramin'ny taona 1830 niorenan'ny tanàna ka hatramin'ny 1867 nahatongavan'ny misionera, dia avy eo hatramin'ny nahatongavan'ny solontenan'ny Fitondranafrantsay tamin'ny taona 1886 ary avy eo ny aty aoriana.
Raha ny voasoratr'ireo mpanoratra tantara zokiny toa an-dry Joseph Ralambo, Rainijoelina , Rainihifina ary Ranaivozanany dia tamin'ny 12 Adizaoza na 1 jona 1830 no nanorenana ny tanàna. Rafaralahindrainialy izay komandy avy any Antananarivo no nisafidy ny toerana sy nanome ny anarana. Ataontsika hoe Fianarantsoa ity tanana ity hoy izy satria toerana hianarana ny soa.
Amboavoa no natao anaran'ny eo amin'ny tampony izay antsoina hoe Anatirova na Rova ankehitriny. Teo no nasiana ny lapa nipetrahan'ny goverinora na solombavan'ny mpanjaka.Trano lehibe vita tamin'ny hazo ary voahodidina fefy hazo no teo ambony indrindra. Dia manaraka azy ny tranon'ny manamboninahitra. Izy rehetra ireo dia nihodidinina manda rarivato. Nisy tafondro teo amin'ny vavahady fidirana aty avaratra izay natao hoe Ambatosiahina satria eo no misioka mamory ny miaramila aty ambany.
Efa noravain'ny miaramila kôlônialy io lapa io fa sekoly fanabezana fototra na Epp Rova no eo ankehitriny. Voalaza moa fa ny karaman'Atoa Lombardo lefitry ny ben'ny tanàna voalohany Randria Michel no nomeny hanamboarana azy io. Amin'izao fotoana izao dia voamboatra tsara ny lalan-kely manodidina ny Rova ka tsara itsangatsanganana hitazanana na manodidina. Koa satria toerana nisy Andriana teo Amboavoa dia nambolena hazo amontana izay mbola hita eo. Ny lavaka fitehirizam-bary no tsy eo intsony. ( hitohy)
©️Henri Rasamoelina
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Website
Address
Fianarantsoa
500