Lova Razafindrafito
06/10/2025
Taorian’ny Sakoroka nitranga ny Sabotsy teo dia niezaka nifanantona nivory izahay ny Alahady :
- Governora
- Préfet Fianarantsoa
- Ben’ny Tanana CUF
- Ny Procureur
- FDS
- Ny Président Université
- Ny Sojabe Sy ireo Tale eo anivon’ny Université Fianarantsoa
- Ny Mpianatra eny Amin’ny Université
Samy Niezaka nandamina ny toe-draharaha ary samy niaiky fa Tsy mitondra Amin’ny vahaolana ny korontana
Tapaka ary fa :
- Hiroso amin’ny Fanadinana izay Efa voamarika tao anatin’ny tetiandro ireo Facultés tsirairay ary nangatahan’ny Sojabe ny hisian’ny Filaminana
- Mbola mipetraka hatrany ny Franchise Universitaire ka ny Directions sécuritaires ao ihany no handamina sy hanala ireo olona tsy fantatra izay mialokaloka ao Amin’ny Campus ka mamporisika ireo mpianatra hikorontana.
-Manomboka androany dia Tsy maintsy mitondra ny carte étudiants ny Mpianatra tsirairay hahafahana manavaka ny vary sy ny tsiparifary.
-Nohenoina ireo fangatahan’ny mpianatra ary hisy ny fandaminana anatiny hahafahana mampiasa ny trano Vaovao
-Navotsitra ireo mpianatra 3 sy ilay olona 1 avy any Belgique namatsy vola ny korontana
- Norarana ny tsy handalovana eny amin’ny toerana Misy tsena,zone commerciale,Biraom-panjakana,manapaka lalam-pirenena ho an’ireo mbola mazoto ny hidina eny andalam-be.
Nifarana tamin’ny 7ora ny fivoriana ary nifandray Tanana ny rehetra .
FIANARANTSOA MILAMINA NO TANJONA.
22/09/2025
Taorian’ny 3eme édition des assises de la coopération décentralisée MADAGASCAR - FRANCE dia Efa nahazo ny anjara famatsiam-bola sahady ireo communes miisa 26 .
Mahazo ny anjarany ihany koa ny Université de Fianarantsoa Andrainjato, ny DREDD,DREN,DREAH…
Marihana moa fa Nisy ny apport bénéficiaire izay narotsakin’ny Faritra izay mitentina 1 milliards Ariary izay nahazoana Famatsiambola mitentina 15 milliards Ariary avy amin’ny Métropole de Lyon…
Tetikasa EAURIZON 2028 izay haharitra mandritra ny 3 taona
Aza tara isika Communes manana tetikasa ato anatin’ny Faritra Matsiatra Ambony fa natao ho antsika rehetra ny Fiarahamiasa…
Mety hatao mise à jour Ve izany ny sarin’ny Mpilalao BAREA eo Mahamasina?🤔
01/07/2025
Manasa antsika rehetra e🙏🙏🙏🇲🇬
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the public figure
Address
Fianarantsoa
301