GASY
01/11/2025
🔶31 Oktobra – Andro manerantany ho an’ny tanà n-dehibe : Teknolojia sy olom-pirenena ho fototry ny fampandrosoana.
➡Ankalazaina isaky ny 31 oktobra ny Andro Manerantany ho an’ny Tanà n-dehibe. Ho an’ity taona ity, ny lohahevitra dia mivoy ny fanamby sy ny vinavina amin’ny fampandrosoana maharitra “Tanà n-dehibe mandroso, mampiasa ny teknolojia, ary mametraka ny olona ho ivon’ny fampandrosoana”.
➡Eo amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina an-tanà n-dehibe, indrindra eo amin’ny tanora, dia mihamivelatra hatrany ny fampiasana ny teknolojia hoy ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, ny Jeneraly Lylyson René de Roland. Manampy betsaka amin’ny fanatsarana ny fitantanana, ny fanajariana ny tanà na, ary ny fanatsarana ny maha-olona izany.
➡Nambaran’ny Minisitra fa ao anatin’izao kihon-dalaha diavin’ny firenena izao dia hanao ezaka manokana amin’ny fanavaozana nomerika ny tolo-draharaha ho an’ny vahoaka na “digitalisation des services publics” ny minisitera.🔶31 Oktobra – Andro manerantany ho an’ny tanà n-dehibe : Teknolojia sy olom-pirenena ho fototry ny fampandrosoana.
➡Ankalazaina isaky ny 31 oktobra ny Andro Manerantany ho an’ny Tanà n-dehibe. Ho an’ity taona ity, ny lohahevitra dia mivoy ny fanamby sy ny vinavina amin’ny fampandrosoana maharitra “Tanà n-dehibe mandroso, mampiasa ny teknolojia, ary mametraka ny olona ho ivon’ny fampandrosoana”.
➡Eo amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina an-tanà n-dehibe, indrindra eo amin’ny tanora, dia mihamivelatra hatrany ny fampiasana ny teknolojia hoy ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, ny Jeneraly Lylyson René de Roland. Manampy betsaka amin’ny fanatsarana ny fitantanana, ny fanajariana ny tanà na, ary ny fanatsarana ny maha-olona izany.
➡Nambaran’ny Minisitra fa ao anatin’izao kihon-dalaha diavin’ny firenena izao dia hanao ezaka manokana amin’ny fanavaozana nomerika ny tolo-draharaha ho an’ny vahoaka na “digitalisation des services publics” ny minisitera.
22/10/2025
‼Ambatobe: Trano iray may, ary voavonjy ara-potoana
➡Trano iray misy rihana teny Ambatobe no may androany tolakandro tamin’ny 2 ora sy 18 minitra. Tonga haingana nanao famonjena ny vondrona Mpamonjy Voina, izay tonga teny an-toerana tamin’ny 2 ora sy 25 minitra monja taorian’ny antso.
➡Vokatry ny fidirana an-tsehatra ara-potoana dia tsy nisy naratra na aina nafoy, na teo aza ny fahavoazana ara-materialy vokatry ny afo.
➡Manentana ny vahoaka hatrany ny Mpamonjy Voina mba hiantso avy hatrany ny laharana maika 118 na 034 34 670 09 raha sendra misy loza mitranga, mba hahafahana miditra an-tsehatra haingana sy hisorohana ny loza.
20/10/2025
Herintsalama Rajaonarivelo no voatendry ho praiministra lehiben'ny governementa vaovao.
Efa Filohan'ny filankevim'pitantanan'ny BNI izy ary efa filohan'ny FIVMpaMa - Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy ihany koa.
✔️Hahazo vahana ny orana amin'ny faritra maro eto Madagasikara amin''ity herinandro ity.
🟡Araka ny tatitry ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro dia tsy ho marin-toerana indraindray ny toetr’andro manerana an’i Madagasikara mandritra ity herinandro ity.
🟡 Hahazo vahana ny orana tandrifindrahona, izay mety ho arahina kotroka indraindray, indrindra any amin’ny faritra Afovoan-tany, atsimo, ary atsimo atsinanan’ny Nosy. Vinavinaina kosa fa hitatra any amin’ny ilany avaratra sy afovoany andrefana izany amin’ny faran’ny herinandro.
🟡Na izany aza, tsy dia hisy fiovana lehibe amin’ny maripana manerana ny Nosy, izay manodidina ny 12 hatramin’ny 25°C amin’ny maraina, ary eo anelanelan’ny 25 hatramin’ny 40°C kosa amin’ny tolakandro.
🟡Manoloana ny mety ho firotsahan’ny orana, dia entanin’ny Météo Madagascar ny mponina any amin’ireo faritra voakasika mba hanangona rano ho fampiasana amin’ny fiainana andavanandro.
🟡"Izahay mamela heloka fa fa ny lasa tsy fanadino" hoy i Baba Rakotoarisoa androany teny amin’ny HCC Ambohidahy raha nanome hafatra tamin'ny bakarin'ny filohan'ny HCC.
14/10/2025
✔️ MADAGASCAR : NORAISIN'NY CAPSAT NY FITONDRANA, HIDITRA @ REFERENDUM
🟡 Suspension du 4 ème république .
🟡Miditra @ directoire militaire i Madagasikara mandritra ny 2 Taona .
🟡 Ny Antenimeram-pirenena irery ihany sisa no rafitra mijanona .
🟡 Foana avokoa ny : HCC,HCJ, SÉNAT,CENI,HCEDD
14/10/2025
✔️SAIT : Mitaky ny fanajana ny asan’ireo Inspecteurs du Travail
🟡Namoaka fanambarana manokana ny Sendikan’ny Inspecteurs du Travail (SAIT) manoloana ny zava-misy ara-pitantanana eto amin’ny firenena, indrindra ny tsy fanajana ny sata manokana sy ny fahataran’ny fandraisana andraikitra ataon’ny fanjakana amin’ny fampandehanana ny asan’izy ireo.
🟡Araka ny fanambaran’ny SAIT, dia manameloka tanteraka ny tsy fahatomombanan’ny rafitra manodidina ny Inspecteurs du Travail izay anisan’ny andry iankinan’ny fanajana ny zon’ny mpiasa sy ny fampiharana ny lalà na mifehy ny asa eto Madagasikara. Nilaza izy ireo fa efa valo volana izao no tsy mbola nahitana valiny mazava mikasika ny famerinana-kasina amin’ny asan’ny Inspecteurs du Travail, na dia efa nisy aza ny fifampiresahana sy ny fangatahana ara-dalà na natao.
🟡Manamafy ny SAIT fa manohana tanteraka ny fanoheran’ny vahoaka sy ny fihetsiketsehana manohitra ny tsy fanajana ny lalà na sy ny rafitra demokratika eto amin’ny firenena. “Mijoro ho amin’ny fitakiana ny fanajana ny zo fototra sy ny sata manokana mifanaraka amin’ny lalà na izahay Inspecteurs du Travail”, hoy ny fanambarana.
🟡Etsy ankilany, naneho ny ahiahiny ihany koa ny SAIT mikasika ny fihetsika nataon’ny Senikà n’ny Mpiasam-panjakana, izay nolazainy fa manamaivana ny tolona ara-drariny ataon’ny mpiasa amin’ny fanajana ny sata sy ny lanjan’ny asany. Araka ny fanazavan’ny sendika, tsy tokony ho fitaovana politika na hoenti-manarona ny tsy fanarahan-dalà na amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana ny fikambanan’ny mpiasam-panjakana.
🟡Nohamafisin’ny fanambarana fa tsy azo ekena ny fiezahana manalefaka na manakana ny asan’ny Inspecteurs du Travail, izay manana anjara toerana lehibe amin’ny fanaraha-maso ny asa sy ny fiarovana ny zon’ny mpiasa manerana ny nosy.
🟡Farany, miantso ny fanjakana ny SAIT mba handray fepetra haingana sy hentitra amin’ny famahana ireo olana ireo, ary hanaja tanteraka ny sata manokana sy ny andraikitra maha-mpiasam-panjakana ireo Inspecteurs du Travail. “Izahay dia hanohy hatrany ny tolona ho amin’ny fahamarinana sy ny fanajana ny lalà na, ho tombontsoan’ny mpiasa sy ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara”, hoy hatrany ny SAIT.
Nitia Raveloson
14/10/2025
✔️CNaPS : Manamafy ny fahamarinan-toeran’ny fitantanany
🟠Manoloana ny tsaho sy vaovao tsy marina miparitaka, dia nanamafy ny Tahirim-pirenena ho amin’ny Fiahiana Ara-tsosialy (CNaPS) fa ara-dalà na sy mangarahara tanteraka ny fitantanany.
🟠Araka ny fanazavany, niverina amin’ny laoniny ny fitantanana ara-bola sy ara-tsosialy nanomboka tamin’ny faran’ny taona 2023, vokatry ny fifehezana hentitra ny vola lany amin’ny asa sy ny fanajana tanteraka ny lalà na mifehy ny famoahana vola.
🟠Nilaza ny CNaPS fa tsy misy lalà na mamela azy hampiasa vola tsy ara-dalà na, satria mandalo amin’ny filankevi-pitantanana iombonan’ny mpampiasa, ny sendikan’ny mpiasa ary ny solontenam-panjakana ny fanapahan-kevitra rehetra.
🟠Nampitandrina ihany koa ny Tahirim-pirenena amin’ny fampielezana tsaho izay mety hampisalasala ny mpikambana, sady nanome toky fa mandeha ara-potoana ny fandoavana ny zony rehetra.
🟠Farany, nambaran’ny CNaPS fa mitohy ny ezaka amin’ny fanamafisana ny fahatokisana sy ny fanatsarana ny rafitra, ho fiarovana ny zon’ny mpiasa sy ny fiantohana ara-tsosialy eto Madagasikara.
13/10/2025
⚽Fifanitsanana Mondial 2026: Tapitra hatreo ny lalan'ny Barea.
✔Niondrika tamin'ny isa mavesatra 4 no 1 ny Barea an'i Madagasikara nanoloana an'i Mali alina.Andro faha 10 sady farany notanterahana tao amin'ny kianjan'ny 26 mars Bamako (Mali).
Nanjakan'ny Malianina tanteraka ny lalao izay tao amin'ny taniny.
Teo amin'ny fizaram-potoana voalohany dia efa nitarika 2-0 ny Mali.Baolina matin'i Lassine Sinayoko teo amin'ny minitra faha 10 ary nampian'i Néné Dorgeles teo amin'ny faha 38'.
✔Voafehin'ny Mali tanteraka ny lalao ka mbola i Lassine Sinayoko indray no nampiditra ny baolina faha telo hoan'ny zareo Malianina teo amin'ny minitra faha 64, tany amin'ny fehim-potoana farany(90') no nahatafiditra ny isa tokana ny Malagasy tamin'ny alalan'i Johan Nzi . Mbola niampy indray ny isa hoan'ny Mali tany amin'ny fehim-potoana fanampiny tamin'ny alalan'i Gaoussou K Diarra (90'+5) ka nahatonga ny isa ho 4-1.
Eo amin'ny filaharana dia tsy ho anisan'ny ekipa 4 tsara indrindra amin'ireo laharana faharoa i Madagasikara. Na nanalana isa 6 na tsia, fa vao resy dia tsy tafavoaka foana isika. Tsy manao Playoffs isika fa dia manomana ny fifanintsana manaraka indray.
12/10/2025
Ho tanterahana anio ny lalao fifanitsanana hoan'ny fiadiana ny amboara eran-tany na FIFA Coupe du Monde 2026, tafiditra amin'ny andro faha-10 ny Barean'i Madagasikara izay hifandona amin'ny ekipam-pirenenan'i Mali amin'ny 10 ora alina (ora eto Madagasikara)
Fandresena na manao ady sahala ny ekipa Malagasy manoloana ny ekipam-pirenenan'i Mali anio dia tafiditra ho laharana faharoa" Meilleur 2ème aty Afrika Dia afaka miatrika ny lalana hiatrehana ny lalao sakana (Barrage).
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Culinary Team
Attire
Website
Address
Antananarivo