Niza RIM

Niza RIM

Share

24/05/2026

15 taona ny Miantefa, tarika MItory An-kira Ny TEny FAhamarinana.

Misaotra anareo Miantefa amin’ny fanompoana sy ny fizarana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny hira nandritra 15 taona nomeNy izay. Enga anie mbola olona maro no hotarihin’ny hira sy ny fanompoanareo.

Faly ihany koa nihaino sy niaina ny hira “Tsapako Jesoa” noventesinareo nandritra izao fety izao.

Mirary fitahiana sy hery vaovao ho an’ny tarika ary Pentekosta sambatra ho antsika rehetra!

Photos from Niza RIM's post 28/07/2025

Sary vitsivitsy ho fahatsiarovana ny fotoana nanomezam-boninaritra an’Andriamanitra noho ny faha 70 taona nahaterahana sy faha 53 taona nanoratana sy namoron-kira ny 24 mai 2025 lasa teo.

Manantitra ny fisaorana hatrany ho an’ireo izay niaraka nikarakara, nanohana, nanatrika ary indrindra nitondra am-bavaka !

01/06/2025

Hira noforonina tamin’ny teny anglisy tamin’ny 1985 nitondra ny lohatent hoe « My faith ». Nadika tamin’ny teny malagasy kosa tamin’ny taona 2005.

Hira manambara finoana ny fombàn’i Jesoa ny mpanompony. Tsapanao tokoa ve fa momba anao tokoa Jesoa raha mino Azy ianao?

25/05/2025

Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika fa tontosa soa aman-tsara ny fotoana omaly (24 may 2025). Deraina ny anaraNy fa nitondra fifaliana tokoa iny fihaonantsika iny noho ny fitahiaNy.

Isaorana koa isika rehetra nandray anjara :
- Ireo mpitandrina sy ny vadiny avy
- Ireo biraom-piangonana sy ny diakona
- Ireo komity nanomana
- Ireo mpanohana tamin’ny lafiny rehetra
- Ireo mpikarakara ny lafiny teknika rehetra (feo sy sary)
- Ireo mpihira rehetra
- Ireo mpanentana
- Ny fianakaviana sy mpianakavin’ny finoana
- Ny mpanotrona rehetra
- Ary ireo izay tsy voalaza rehetra

Andriamanitry ny fiadanana anie homba anareo. « Tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo ».

Azy irery ihany anie ny voninahitra.

23/05/2025

Aza adinoina, rahampitso 24 May 2025 amin’ny 9h ao amin’ny FJKM Ambonin’Ampamarinana ny fotoantsika.

Fotoam-pivavahana sy amboaran-kira hankasitrahana an’Andriamanitra noho ny faha-70 taona sy faha-53 taona nanoratana.

Ho hitanao ao koa :
- Ny boky Tantara
- Flash misy hira Audio sy Vidéo, tononkira ary sarimihetsika (film 3)

Ho tsara ny fihaonana !

Photos from Niza RIM's post 20/05/2025

Efa nahita ve ianao « Flash » iray ka sady misy hira ara-pilazantsara, no misy « Clips » koa ? Tsy izay ihany fa mbola misy tantara telo (3) amin’ny teny malagasy ihany koa :

- Anjara Lova
- Rojo Vy
- Herin’ny Vavaka

Ambonin’izany ireo tononkiram-bavaka sy fiderana maro mampiorina ny finoana.

Tongava amin’ny Sabotsy izao (24 May) hanjifa izany zava-baovao izany.

Fahasoavana lehibe ho antsika ny manana izany sangan’asan’i Niza RIM / Ihanjarinisa izany.

Photos from Niza RIM's post 19/05/2025

Hivoaka ny boky mirakitra ny tantaran’ny Mpitandrina RAINIMAMONJISOA. Manam-pahefana ambony tamin’ny andron’ny mpanjaka 5 mifanesy teto Madagasikara.

Tsy tantaram-pianakaviana fotsiny izy ity fa tantaram-piangonana sy firenena mihitsy ka ahazoantsika fahalalàna tsara, indrindra ho an’ny taranaka faramandimby. Vidio, vakio fa tena ilainao io.

Tongava ary amin’ny Sabotsy izao (24 may amin’ny 9ora) eny amin’ny FJKM Ambonin’Ampamarinana fa any no hahitanao azy sy ahafahanao manjifa azy.

Nanangona sy nanoratra : Niza RIM

17/05/2025

INOAKO RY RAY

Hira noforonina tamin’ny teny Anglisy tamin’ny 1983 mba hohirain’ny THE CANDLE LIGHT CHOIR (English Club FJKM Ankadifotsy) ary nohiraina tamin’ny mariage-nay ny 1993.

Nadika tamin’ny teny malagasy taty aoriana ka nohirain’ny Tanora FJKM Ambohipanja sy Ampamarinana.

Ankehitriny dia Mialy Rakotomamonjy no mihira azy (arahan’ny G3A). Isaorana azy indrindra tamin’ny fitiavana nasehony.

Hira mitory finoana ny fandovàna ny fiainana mandrakizay satria voavela heloka izy ity.

Hohiraina amin’ny Sabotsy 24 Mai ihanh koa, izay hanasàna anao ho avy, hanome voninahitra an’Andriamanitra.

08/05/2025

Noho ny faha-70 taona sy ny faha-53 taona nanoratana sy namoronana hira dia faly manasa anareo hanome voninalitra an’Andriamanitra amin’ny fanotronana ny fotoam-pivavahana sy Amboaran-kira izay hatao ny Sabotsy 24 Mai 2025 amin my 9 ora maraina ao amin ny Tranovato FJKM Ambonin'Ampanarinana.

Amin’io fotoana io no hanehoana ireo sangan’asa (hira, asa soratra,...) ary koa ny famarotana ny boky sy ny rakikira ary ny rakitsary novokarina.

Fisaorana mialoha no atolotray sady mirary soa ho anareo mba ho tahian’Andriamanitra mandrakariva. Ny karatra fanasana dia azo afarana amin’ny : 0340387593 / 0346181393.

Koa tongava ary hiara-paly araka ny tenin'ny mpanao salamo hoe :
«Hihira ho an'i Jehovah aho raha mbola velona koa, hankalaza an'Andriamanitra aho raha mbola miaina ». (Sal 104 : 33)

20/04/2025

Nody Doda ny alakamisy teo (17 aprily 2025) ary nisaorana an’Andriamanitra sy naterina teny amin’ny fasandrazany androany Alahady P***a.

Olona tso-piaina, sariaka ary manga feo aok’izany.

Ankoatr’ireo tarika maro efa nisy azy dia mpihira mafana fo tao amin’ny G3A izy. Ity hira noforonina ho azy ity no tena nahatsiarovana azy tokoa : « Salamo 70 »

Mandria am-piadanana Doda !

07/04/2025

Ny hampandroso fiangonana

Hira vetsoin’ny Groupe Artistique Ambonin’Ampamarinana (G3A), izay hira nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninana-kira bà-gasy nokarakarain’ny synodam-paritany Antananarivo Andrefana noho ny faha-15 taonany (2012).

Ho fampirisihana ny fiangonana mba ho : mahataona, mahatamana sy miasa ary mandroso.

A/C : Niza RIM

Want your public figure to be the top-listed Public Figure in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Website

Address

Antananarivo
TANA101