Ra Rini
19/12/2024
Pimaso
Maso indray mitopy afahanao mahalala fa tia tokoa anie aho.
Iray sekondra monja afahako mizara izay ao anatiko ao,
Tsy ho nofy izay niainako rehetra teto anio
Fa raha misy sakatsakana tia anao aho tadidio.
Ny ora nanekenao tsiaro ho tsarovako,
Fa ny Date androany tsy mbola nandalovako.
Miraikitra ho boky diary sy ho tadidy,
Misaotra fasiboky fa nahazoko sarobidy.
Ianao no andraikitro anaty taona maro,
Somary pimaso fa tsy ho azoko atakalo.
Mamy ny niarahana mitsingerina ao an-tsaiko
Betsaka no mila fa ianao no tena ilaiko
Ditra hamparatra tsy hanimbako ny amintsika,
Ny lasa-ko taloha ditra efa vita
Ny fisinao teo no nampiova ahy,
Fa pimaso monja ny fijeri-nao nizahy.
Ra Rini
20 Febroary 2024
07/10/2024
Sambatra ve izy?
Vao hitanao hono ilay namana akaiky indrindra tamiko
Dia iny ianao nanantona nanontanintany ny amiko.......Hoe:
Efa sambatra ve izy sa mbola misy mampijaly fona sanatria?
Miadana finaritra, matavy sa mahia?
Noretireny mako aho nofafany tsy ho mpanaraka
Ny Kaontiny nidiny tsy mba afaka ho jerena
Nisy ady taminay fa tsy nampoiziko izy asaraka
Ny saiko aty ny Foko samy mbola manantena.
Mbola lina ny amiko ve izy rehefa ianareo mihaona?
Sa efa olon-kafa no mankafia ny tratrany?
Rehefa hitanao lazao hoe mandrampihaona,
Ozy ilay fahiny hoe namoa ireny ratrany
Raha efa nanadino izy ka sambatra tokoa.
Dia teneno hoe mifona ilay Sipanao taloha.
Tsy andao mba hifamerina raha manaraka ny pejiny.
Fa hitako hoe mamy izy sy ny ankiziny.
Valiko ampitoniana ny hafatrao rehetra,
Fa tojo tena tia aho mitia tsy misy fetra,
Efa sambatra aho mahazo aina donga kely,
Tsy misy hoe mijaly fa tsara mpiaro toa anjely.
Ra Rini
07 Octobre 2024
21/07/2024
Honitra
Ny fo-ny tena tia no natao ankilabao,,
Babo tamin'ny toky sy ny voady voadinao,,
Tsy nanampo akory izay mety hiantra,,
Mantsy kay tsivanona nanintatra ny ratra..
Mirana mifaly izy mankafy izay kely mamy..
Tsy mahalala ny ditram-badiny any,,
Ariva efa maizina no mitsirika mitazana,,
Hay ianao tsy hody fa mihanoka asambarana,,
Tsy misy zava-patany ny fitapitakao,,
Fa mino ampatokisana hoe miasa indray ianao,,
Somary tara aho mody ah! na mety ho tra-maraina...(tsy aiko aloha izay any?)
Fa raha azonao atao dia aza hiasana saina..
Nody aho maraina haka akanjo fotsiny ihany..
No naheno feo mifokofoko mitomany,,
Nandroso toa natahotra azafady hoe zareo,,
Maty hoe ny vadiko o? Maty vao teo?😭
Ra Rini
21 jolay 2024
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Telephone
Website
Address
Antananarivo
0340940945