Jaison Legrand Off

Jaison Legrand Off

Share

Photos from Jaison Legrand Off's post 05/17/2026

๐Ÿ’ข ๐—ก๐—ถ๐—ฑ๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐˜๐—ฒ๐—ป๐˜† ๐—”๐—บ๐—ฏ๐—ผ๐—ต๐—ถ๐—ฝ๐—ผ ๐˜€๐˜† ๐—”๐—บ๐—ฏ๐—ผ๐—น๐—ผ๐—ธ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† Polisim-pirenena Malagasy ny alin'ny 16 Mey hifoha 17 Mey 2026๐Ÿ’ข

Nanao hetsika fandaminana ireo toeram-piantsonana izay miteraka fitohanana sy fanaraha-maso ny taratasin'ireo toeram-pisotroana.

Nohamafisina fa hidiana ireo bar tsy manara-dalร na sy ireo tsy manana taratasy ara-dalร na mifehy ny asa ataony.

Ny lehiben'ny komisaria CSP2 Ambohijatovo, ny Commissaire de Police RATSIMBAHARIVELO Faniry niaraka tamin-dRamatoa ANDRIANASOLO Rindra Henintsoa Olga, lefitry ny lehiben'ny distrika Tana II ny hetsika no nitarika izany.

05/17/2026

๐Ÿ’ข ๐— ๐—ฎ๐˜๐˜† ๐—ป๐—ผ๐˜๐—ถ๐—ณ๐—ถ๐—ฟ๐—ถ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐—ฑ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—น๐—ผ ๐˜๐—ฒ๐—ผ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐—น๐—ฎ๐—ต๐—ถ๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐—ถ๐˜๐˜† ๐—ฅ๐—ฎ๐—ถ๐—บ-๐—ฝ๐—ถ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ถ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ถ๐—ฟ๐—ฎ๐˜† ๐˜a๐—ผ ๐—”๐—บ๐—ฏ๐—ผ๐—ฟ๐—ผ๐—ป๐—ฎ๐—ฏ๐—ผ โ€“ ๐—ฆ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐Ÿ’ข

Raim-pianakaviana iray no namoy ny ainy taorianโ€™ny tifitra nahazo azy teo aminโ€™ny faritry ny maha-lehilahy azy, tany aminโ€™ny 4 km tsy hiditra ny Kaominina Amboronabo, distrikanโ€™i Sakaraha, androany alahady 17 Mey 2026, tokony ho taminโ€™ny 3 ora sy sasany tolakandro.

Araka ny vaovao voaray, olona roa mianaka avy namonjy fahoriana tany Andranomaitso no nosakananโ€™ny dahalo teny an-dalana. Raha vao nifanehatra taminโ€™ireo olon-dratsy izy ireo dia notifirinโ€™ireo dahalo avy hatrany ilay Raim-pianakaviana, ka nahavoa teo aminโ€™ny mahalehilahy azy ny bala.

Voalaza fa dahalo telo lahy no tomponโ€™antoka taminโ€™ity fanafihana nahafaty olona ity, araka ny fitantaranโ€™ilay zanany niaraka taminy nandritra ny zava-nitranga. Tafatsoaka kosa ity farany ary afaka niantso vonjy taminโ€™ny fokonolona manodidina.

05/17/2026

๐Ÿ’ขEFA Loza koa ๐Ÿ˜ข๐Ÿ˜ข๐Ÿ’ข

๐—ก๐—ผ๐—ฒ๐˜๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐—ถ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ ๐—ป๐—ฎ๐—บ๐—ผ๐—ป๐—ผ ๐˜๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป๐˜† ๐—ป๐˜† ๐˜‡๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐—น๐—ฎ๐—ต๐˜† ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ผ 4 ๐˜๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐—ฎ

Lehilahy iray, 29 taona, sy zanany lahy kely 4 taona maty tsy tra-drano nifatratra tamin'ny fiara be, omaly, teny amin'ny RN2, Andriaka, tsy lavitra an'Anjiro, distrikan'i Moramanga.

Namono tena ilay lehilahy, ka noentiny nanaraka azy tamin'ny moto ilay zaza, hoy ny manodidina. Nataony nidona tamin'ilay fiara be ny moto-any. Efa niezaka niala lalana ilay mpamily fiara fa tsy afaka. Maty teo no ho eo izy mianaka.

Raha ny fanazavan'ireo mpiara-monina tamin'ny manam-pahefana dia, nisy disadisa ilay lehilahy sy ny vadiny. Tonga hatrany amin'ny fitsarร na ny ady. Farany, ilay vehivavy no voalaza fa nahazo rariny hitaiza an'ilay zaza.

Tsy nanaiky ilay lehilahy ka, nilaza fa "ity zaza ity foana no iadivana isanandro. Aleo hiara-maty amiko. Androany no ahitร nareo ahy farany".

Dia lasa izy mianaka, tsy nanao aroloha nirimorimo nifanehatra tamin'ny fiara be.

โœ๏ธSkispass Atm

05/17/2026

๐Ÿ’ข ๐—™๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ฝ๐—ผ๐—ถ๐˜‡๐—ถ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ-๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ๐—ณ๐—ผ , ๐—ผ๐—น๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐—บ๐—ถ๐—ถ๐˜€๐—ฎ 100 ๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ฟ๐˜† ๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป"๐—ป๐˜† ๐—ต๐—ผ๐—ฝ๐—ถ๐˜๐—ฎ๐—น๐˜†๐Ÿ’ข

Olona 100 mahery no narary, ary efa nampidirina hopitaly tao an-toerana, nisy koa nalefa eny Analaroa fa feno loatra.

Raha ny fanampim-baovao dia nisy ny seho nataonโ€™i mpanakanto JOHNITO ny alakamisy teo, ka ny zandary ao an-teorana no nikarakara azy ary irery ihany no mahazo manao ny sy ny sava-pisotro

Mayonnaise nampiasainโ€™izy ireo no lany daty ka nahatonga izao fahapoizinana ara-tsakafo izao.

Nanaiky ny hitsabo ireo marary rehetra moa ny FIVAZA Ambatomanoina. Fa misy kosa ireo fianakaviana sasany nametraka fitoriana.

Loharano : Top radio 102.8 fm

05/17/2026

babydance Ai prรฉfรฉrรฉ๐Ÿ’›๐Ÿ’›๐Ÿ’›๐Ÿ’›๐ŸŸก๐Ÿ’›๐Ÿ’›

Photos from Jaison Legrand Off's post 05/15/2026

๐Ÿ’ข ๐—Ÿ๐—ผ๐˜‡๐—ฎ ๐—ป๐—ถ๐˜€๐—ฒ๐—ต๐—ผ ๐˜๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป"๐—ป๐˜† ๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ถ๐—ป๐—ฎ : ๐—•๐—ถ๐—ฐ๐˜†๐—ฐ๐—น๐—ฒ๐˜๐˜๐—ฒ ๐˜€๐—ฒ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ฝ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ ๐—ป๐—ผ ๐—ป๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐˜๐—ผ๐—ป๐—ด๐—ฎ ๐—ถ๐—น๐—ฎ๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ ๐—ป๐—ถ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ฑ๐—ถ๐—ธ๐—ฎ ๐Ÿ’ข

Fiara Kia iray sy bicyclette iray no tratran'ny lozam-pifamoivoivana teny amin'ny Digue Ambotrimanjaka ny maraina teo

Raha ny fanazavan'ny nanatri-maso teny an-toerana dia nanapaka tampoka ilay bicyclette io ka niala izany ilay fiara ka izay no nahatonga ny loza.

Raha ny fantatra dia handeha hanatitra mpianatra ilay fiara no izao tra-doza izao.

Samy naratra moa ny mpamily ilay fiara sy ilay mpitondra bicyclette fa tsy nisy kosa ny aina nafoy.
Efa tazana eny an-toerana moa ny mpitandro ny filaminana.

๐Ÿ“ท Roddy Jupiter

Photos from Jaison Legrand Off's post 05/15/2026

๐Ÿ’ข๐— ๐—ผ๐—ฟ๐—ฎ๐—ณ๐—ฒ๐—ป๐—ผ ๐—”๐—บ๐—ฏ๐—ฎ๐˜๐˜€๐—ผ๐—ณ๐—ผ๐˜๐˜€๐˜† ๐—œ๐—ต๐—ผ๐—ฟ๐—ผ๐—บ๐—ฏ๐—ฒ ๐Ÿ’ข

๐—ง๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ผ ๐Ÿฎ๐Ÿฎ ๐˜๐—ฎ๐—ณ๐—ผ ๐—ป๐—ผ ๐—บ๐—ฎ๐˜† ๐—ป๐—ถ๐˜€๐˜† ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ผ๐—ฟ๐—ผ.

Trano miisa 22 no lasibatry ny afo tao Morafeno, Fokontany Ambatsofotsy, kaominina Andiolava, Faritra Ihorombe ny 12 Mey 2026 lasa teo, tokony ho tamin'ny 12 Ora antoandro. Kila tamin'izany ny fanaka rehetra, ny vary sy katsaka, ny vokatra hafa aman-taonina ary ny lelavola an-tapitrisany.

Raha ny fitantaran'ny niharam-boina, valifaty nataon'olona miisa 08 lahy, nitondra fitaovam-piadiana ny 05 tamin'ireo, noho ny disadisam-piarahamonina no nahamay ireo trano. Efa tany an-toerana ny mpitandro ny filaminana ka andrasana ny tohin'ny fanadihadiana ataon'izy ireo. Miantso vonjy araka izany ireo tra-boina.

ยฉ๏ธSerasera sy Kolontsaina Ihorombe
โœ๏ธKolo tv

05/15/2026

Bonjour les amis et bonne journรฉe ๐Ÿ˜˜ ๐ŸŒž๐ŸŒž
๐Ÿ˜Š๐Ÿ˜Š๐Ÿ˜Š

05/14/2026

๐Ÿ’ขTOLIARA๐Ÿ’ข

๐Ÿ‘‰๐ŸฝLehilahy iray sahabo ho 40 taona eo ho eo no hita faty tetsy amin'ny Fokotany Tanambao Morafeno Toliara. Raha ny nambaranโ€™ny olona mahafantratra azy tonga teo dia aretina mitaiza no mahazo azy saingy tsy nanana ny ho enti-manana hitsaboana tena izy ka nirenireny fotsiny. Avy any Bezaha ny fiavianโ€™ity lehilahy ity.

RTS

05/14/2026

๐Ÿ’ข ๐—”๐—ป๐—ฑ๐—ถ๐—ฎ๐—บ-๐—ฏ๐—ฒ๐—ต๐—ถ๐˜ƒ๐—ฎ๐˜ƒ๐˜† ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ฏ๐—ฎ๐˜๐—ฎ ๐—ฒ๐—ป๐˜๐—ฎ๐—ป๐—ฎ : 't๐—ฟ๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ด๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐˜€๐—ผ๐—น๐—ผ๐˜€๐—ฎ๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐— ๐—ฎ๐—ฐ ๐—•๐—ผ๐—ผ๐—ธ๐Ÿ’ข

Tenam-barotra misy entana lafovidy no kendren'ireto andiam-behivavy ireto anaovana halatra. Mpibata entana no anton-dian'izy ireo ao amin'ilay fivarotana, ka ny 4 vavy mampiresaka , misy 2 hafa mampiresaka ny tena tompon'andraikitra na ny mpiambina mpanara-maso.

Rehefa samy revo amin'ny asany, misy roa hafa miditra mijerijery ny entana, ny iray manakona, ny iray mibata sy manafina ary mivoaka avy eo. Nanjavona nandritra izany ny saingy nampangain'ny . Fantatra fa miara-dia tokoa izy 8 mirahavavy avy eny Andraisoro ireto.

Naverina amin'ny tompony ny solosaina, notanana hatao famotorana kosa izy 7 mirahavavy, karohina ny iray ary hatolotra ny fitsarana ny raharaha.

ยฉ๏ธCIRGN Antananarivo

Want your public figure to be the top-listed Public Figure in Toronto?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Website

Address

Toronto, ON